Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
1 Samoela 15.16-29
Ny olona mihaino ny Tenin’ Andriamanitra
1-Tsy maintsy mankato
Tsy nandray ny toromarika nambaran’i Samoela i Saoly mpanjaka . Nihevitra ny tenany ho nanan-tsaina ambony , ary nahazo sambobelona an’i Agaga mpanjakan’i Amalekita ka nanao fanatitra ho an’ Andriamanitra tamin’ireo biby heveriny ho tsara sy matavy. Diso hevitra izy noho izany , nihaino fotsiny fa tsy nanatanteraka ny toromarika nomen’ Andriamanitra fa tokony haringana ny Amalekita sy ny fananany . Tsy nankasitrahan’ Andriamanitra ny zavatra nataony . Tsarovy fa ianao mankato ny Tenin’ Andriamanitra no zava-dehibe fa tsy ny fanatitra entinao na dia heverina ho tsara indrindra aza.
2-Tsaraina
Noho ny tsy fanakatoavana ny Tenin’ Andriamanitra dia niharan’ny sazy i Saoly mpanjaka . Nolavin’ Andriamanitra ny maha- mpanjaka azy . Tsy azo vazivaziana ny Tompo , eny fa na dia niaiky ny fahadisoany , nifona noho ny fahotana nataony aza izy dia mazava ny fanapahan-kevitr’ Andriamanitra . Esoriny amin’ny fanjakana i Saoly . Efa misy olona voaomana handimby azy eo amin’ny fanjakana. Ataovy ho zava-dehibe hatrany eo amin’ny fiainanao ny Tenin’ Andriamanitra , ankatoavy , iaino izay ambarany aminao dia ho azo antoka ny ho avinao .
Fanontaniana:
Nahoana no misy olona manao ho ambony ny feon’ny fieritreretany na ny olona akaiky azy noho ny Tenin’ Andrtiamanitra ?
0 Commentaires