Ny F.J.K.M.

Ny Teny Faneva (2021-2025)

"Miorena tsara, aza miova (I Kor.15: 58)

Ny Birao BMF 2021-2025

Ireo Birao miasa mandritra ny 4 taona (2021-2025) :

- Filoha : IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi
- Filoha mpanampy : ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy Mpitandrina
- Filoha mpanampy : RAZARASOA Timothy, Laika,
- Mpitahiry vola : RANDRIANJA Voahangy
- Mpanolotsaina ny filoha : Rakotobe RAJAOMANJATO Doda H. Mpitandrina
- Mpanolotsaina ny filoha ( Laika) : ANDRIAMAMONJISOA Georges Henri

Voafidy ny Synoda lehibe XIX tany Sambava koa ireo Mpiandraikitra Foibe miisa 100 ka 50 Mpitandrina ary 50 Laika.

Mpanatanteraka 2021-2025

Ireo tompon'andraikitra mpanatanteraka eo anivon'ny FJKM (2021-2025) :

- Sekretera Jeneraly FJKM : RAKOTONINDRAINY Jaona,mpitandrina
- Tonian'ny Departemanta Fiangonana : ROBSON Rado Lalaina Johary,Mpitandrina
- Tonian'ny Departemanta Sekoly : RAKOTONDRANAIVO Domoina,
- Tonian'ny Departemanta Mpiasa sy Vola : ANDRY Nirina Velosoa

Ireo no voafidy ao amin'ny rafitra Mpanatanteraka.

Ny Teny Faneva (2016-2020)

"Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika" (II Tim 1 : 8a)

Ny Birao (2016-2020)

Toy izao ireo Birao miasa mandritra ny 4 taona (2016-2020) :

- Filoha : IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi
- Filoha mpanampy : ZARAZAKA Jean Louis
- Filoha mpanampy : RANDRIAMAMONJISOA Georges, Laika,
- Mpitahiry vola : ANDRIANARIVELO Réné Olivier
- Mpanolotsaina ny filoha : ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Mpitandrina
- Mpanolotsaina ny filoha ( Laika) : RAKOTOMANDIMBY Benjamin, Diakona

Voafidy ny Synoda lehibe tany Antsirabe koa ireo Mpiandraikitra Foibe miisa 100 ka 50 Mpitandrina ary 50 Laika.
Notapahin’ny Fivoriambe fa any ANTSIRANANA no hanaovana ny Synoda lehibe faha XIX , amin’ny taona 2020;

Ny fiorenany

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, afohezina amin’ny hoe : « FJKM » dia :
Fehezin’ny hitsivolana laharana faha 62-117 tamin’ny 01 obrobra 1962. Nankatoavin’ny Didy Fanapahana laharana faha-2175 tamin’ny 06 Jolay 1972 izay navoaka tamin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika Malagasy (JORM) tamin’ny 15 Jolay 1972

Ny finoany

Ny FJKM dia mino sy manaiky :

Ny maha-Andriamanitra Tokana ny Ray sy ny zanaka ary ny Fanahy Masina ;
Ny maha-Andriamanitra ny Ray Mpahary izao rehetra izao ;
Ny maha-Andriamanitra tonga nofo an’i Jesoa Kristy Tompo Mpamonjy izao tontolo izao :
Ny maha-Andriamanitra ny Fanahy Masina ;
Ny Tenin’Andriamanitra araka izay isehoany ao amin’ny Baiboly sy izay hazavaina eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina no raisiny ho loharano sy fitsipiky ny finoany sy ny fiainany ;
Ny Sakramenta roa (2) : Ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo

Ny zava-kendreny

Ny handrenesan’ny Malagasy sy ny Mponina eto Madagasikara ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy sy handraisany ary hanekeny Azy ho Tompo sy Mpamonjy
Ny handraisany anjara eo amin’ny sehatry ny Fiangonana sy Vondrom-piangonana Kristiana eran-tany
Ny fijoroany ho vavolombelon’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiarahamonina no anehoany ny maha fanasina sy maha fanazavana azy eo amin’ny voahary manontolo sy izao tontolo izao

Ny adidiny

Ny manambara fa Jesoa Kristy no Tompo Tokana Mpamonjy izao tontolo izao ;
Ny manompo sy midera ary manome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny teny sy amin’ny asa ary ny fiainana rehetra ;
Ny mitory ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy Tompo amin’ny olona rehetra sy ny olona manontolo.

Soradamina FJKM

Eo ambany fitarihan'ny Filoha:

Synodamparitany

SP SYNODAMPARITANY PREZIDA SYNODALY
1 SP AFOVOANY ANDREFANA (01) RANDRIANARISAINA Harilaza
2 SP AFOVOANY ATSINANANA VAOVAO (02) ABDINAGO Antra Fanantenana
3 SP ALAOTRA CHROME (03) RALAIARIVELO  Fanomezantsoa Andriamamonjy
4 SP AMBALAVAO TSIENIMPARIHY (04) NY ONJA RAKOTONIAINA Rianarivelo Nehemia
5 SP AMBATONDRAZAKA VAOVAO (05) RASOLONIRINA Robert
6 SP AMORON’I MANIA AMBOSITRA (06) RANDRIAMBOLOLONA Fidèle
7 SP AMBOVOMBE KRISTY RANOVELONA (07) SOJA  Arthur
8 SP ANDREFANA ATSIMON’ANKARATRA MIARADIA (SP 08) ANDRIAMIHAJAMAHALEO Josoa Ernest
9 SP ANDRONA ATSINANANA MIARA-MIFOHA (SP 09) RANDRIAMAMPIANINA Josoa
10 SP ANTANANARIVO ANDREFANA (SP 10) RAZAFNDRAKOTO ANDRIAMBALOHERY Hasinarivo
11 SP ANTANANARIVO ATSIMO (SP 11) RABELISON Harimanitra Manassé
12 SP ANTANANARIVO ATSINANANA (SP 12) ALIOLIHARIMANARIVO Mahabo Saotra
13 SP ARIVONIMAMO VAOVAO (SP 13) RANDRIANARISON Jean  Evariste
14 SP ATSIMO ATSINANANA (SP 14) RAZAFINDRATSIMBA Tokinirina Anjarasoa
15 SP ATSIMON’IARIVO MIRAY (SP 15) RABENANTOANINA Solofonindriana
16 SP KRISTY FIHAVANANTSIKA AVARATRA ATSINANANA (SP 16) IVAMA Moryl
17 SP BOINA VAOVAO (SP 17) ANDRIAMAMONJY  Rivoarisoa
18 SP FARITANY VOALOHANY ANTSIRANANA (SP 18) RABEVITA Saina
19 SP IARIVO AVARADRANO (SP 19) RABETOKOTANY Miarilaza
20 SP MAEVATSARA (SP 20) RAJAONERA Rodin
21 SP BEMARAHA (SP 21) RAJOSOA BARINARIVO Mamy
22 SP MANANARA FIRAISANA (SP 22) RABENATOANDRO SAMIARIVELINA Mamy Yves
23 SP MANANJARY PANGALANA (SP 23) RAVELOARIMANANA Martin
24 SP MANGORO MORAMANGA (SP 24) MOSATEROA Zafimanambelo
25 SP MATSIATRASOA (SP 25) JEREMIA Jean Louis
26 SP MEVARANO MIRAY (SP 26) Bert GERA
27 SP MIARINARIVO FAHAZAVANA (SP 27) RAZAFINTSALAMA Paul
28 SP MIRAY FARITRA ANTONGYL (SP 28) RAMANANTSOA  Charles
29 SP MANDRIDRANO MPIAMBINA SOAVINANDRIANA ITASY (SP 29) ANDRIAMANAMPISOA Hermane  Gideona
30 SP SOFIA ANDREFANA (SP 30) ZAMINANO Ramaroson
31 SP TOAMASINA VAVAHADIN’NY FILAZANTSARA (SP 31) NIRINASON Emile William Johnson
32 SP  KRISTY FANANTENANTSIKA TOAMASINA ATSIMO  (SP 32) RAKOTONDRAIBE Solofomalala
33 SP TOLIARA FIHAVAOZANA (SP 33) RANADIMBY Fanantenana
34 SP TSIROANOMANDIDY (SP 34) RAKOTOMALALA Jean Olivier
35 SP VONIZONGO VAVOLOMBELONA (SP 35) ANDRIANJAKAMBOLAHARINAIVO Arnaud
36 SP FAHAZAVAN’ATSIMO ANDREFANA (SP 36) RAKOTONDRASOA Philibert
37 SP VATOFEHIZORO AMPITANDRANOMASINA (SP 37)
38 SP ATSINANAN’ANKARATRA  FAHAZAVANA (SP 38) RAZAFINDRABE Raymond