Miarahaba anao, ry Fiangonana sy ny vahoakan’Andriamanitra rehetra, afaka mifandray sy mifanakalo vaovao amin’izao tranonkalan’ny Fiangonana FJKM Ziona Vaovao Tranovato Alatsinainy Bakaro izao
Maro no naniry, fa isika izao no velona aina, ka nahatratra izao Taon-jobily faha 120 taona izao:
“ Jehovah ô! Tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan’ny voninahitrao.” (Salamo 26:8)

Maro ny asa miandry Fiangonana izay nametrahan’Andriamanitra antsika. Mitaky finoana sy faharesen-dahatra ary fiaraha-mientana ihany koa anefa.
Hita ao amin’ny takila voalohany fandraisana sy afaka tetezina amin’ny “menu” sy “sous-menu” ny Jobily faha 120 Taona , Vaovaom-piangonana, hetsika sy fotoana maro samihafa (fotoam-pivavahana ho avy isan’alahady), Vaovaon’ ny Sampana sy Vaomiera, ny Toriteny sy lahateny, ny Fampianarana sy fandalinam-pinoana sy fitaizana.
Ho hitanao ato koa ny Rafitra ahitana : Ny Fiangonana Fjkm Ziona Vaovao Tranovato Alatsinainy Bakaro, Ny Fjkm, Ny vondrona miara miasa amin’ny FJKM . Ao koa ireo Sampana (Sekoly Alahady, STK, Sederan’ny Ziona,Narda Fihobiana, Dorkasy, SLK… ) , Vaomiera , ary koa ireo Mpiandraikitra. Tsy adino koa ny zanaka ampielezana (Zafa, TiZafa)
Nasiana ny Perikopa hahafahana manaraka ny tetiandro, ny Perikopa manaraka andro dia hita ao amin’ny pejy fandrasaina, ary koa Mofonaina raisinao isan’andro avy amin’ny Foibe SA Fjkm. Iarahana amin’ny Mpitandrina zanaky ny Fiangonana ny fanazavana ny Mofonaina.
Afaka jerena eto koa ny lahatsoratra sy horonan-tsary mihetsika (“vidéo”) ny Marka 15-16 izay iarahana amin’ny Mpitandrina FJKM Rahandrifenosoa Tahina. Lohahevitra samihafa mahasoa amin’ny fiainana andavanandron’ny Kristianina. Hita ao amin’ny tahiry ampolony maro, sy ny vaovao izay tonga intelo isakerinandro.
Misy ireo andian-tsary sy horon-tsary isan-tsokajiny hahitana ny fiainan’ny Fiangonana.
Afaka arahanao eto isan-kerinandro koa ny fotoampivavahana FJKM ofisialy isan’alahady vokarin’ny FTV-FJKM / AFiFaB Fifandraisana sy Fampahalalam-baovao n’ny Foibe FJKM, sy ny vaovao samihafan’ny FJKM (pejy FTV, pejy Foibe FJKM ) araka ny fahatongavany.
Ny lahatsoratra famaky isan’andro amin’ny teny Frantsay “La Bonne Semence” izay vokarin’ny “Bible et Publication Chrétienne” dia arahinao isan’andro ao amin’ny sokajiny.
Koa mahereza sy miambena ry Havana ao amin’ny Tompo. Fa hoy ny Soratra Masina izay teny fanevantsika hoe:
“…miomana hihaona amin’Andriamanitrao…” (Amosa 4.12b
Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra.
(Toy ny “tranon-tantely” araka ny fitenenana ka ao anatiny no manatevina – mameno – mandravona – manitsy … Koa raha misy ampahany, lahatsoratra, sary … misy ny tsy mahamety azy dia ampahafantaro dia ho esorina araka izay)